ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA
Ry Kristianina havana, raha nahary antsika olombelona Andriamanitra dia nahary antsika ho sambatra. Ny vokasiontsika dia ny ho sambatra miaraka Aminy. Antsoin'Andriamanitra isika ho ao anatin’ny hasambarana miaraka Aminy, ho Olo Araiky sy fianakaviambe ao Aminy. Koa amin'izao Alahady faha-28 mandavantaona izao dia antsoiny isika amin'ny fanasana lehibe iombonana Aminy mba hahazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady ny amin'ny fiafarantsika koa Izy. Tsarovy fa efa ao anatin’ny volana oktobra isika. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy ahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy ahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka anasan'ny Tompo antsika ankehitriny. Ry Kristianina havana, aoka ho fantantsika fa ny lohahevitra momba ny fampakaram-bady dia lohahevitra lehibe ao amin'ny Baiboly fa indrindra ao amin'ny Testamenta Taloha. Ambaran'Andriamanitra ny fifandraisana sy ny fifampitondrana ao amin'ny fifanekem-pihavanana izay manambara fa iray aina Aminy isika, ka io fanasana io no manambara ny fiombonana amin'Andriamanitra......[........]