Velomin’Andriamanitra amin’ny mofo avy aminy isika
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo Alahady tsotra faha-16 mandavantaona no nanamasinantsika ireo pretra izay manamarika ny fidirantsika amin’ny sinaody, hoy isika. Mbola hisy fotoana hamakafakana ireo dinika maro samihafa tsy maintsy hiatrehantsika an’izany sinaody izany, izany hoe ny fankalazana ny sinaody. Mbola hisy fanokafana ny fanombohana hidirantsika amin’ny fiarahana mamakivaky ny lalan’ny sinaody ka amin’izay isika no manoratra ny lohahevitra, ny fomba entina miasa sy kalendrie hiainana ary indrindra ny vavaka hanentanana antsika. Ny zava-dehibe dia samy fola-kevitra isika fa mila manao “nouveau départ”, Pantekoty vaovao isika tolagna ka hiroso mba ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Ny faniriana sy ny tanjona dia mba hiroso ho génération Mpanorina tokoa manorina Fianakavian-janahary, ho fianakaviamben’Andriamanitra isika Jiaby ho FRATELLI TUTTI ho OLO ARAIKY ISIKA JIABY......[.......]

