« Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana » (Jo. 17: 17)
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny niakaran’ny Tompo any andanitra. Naniraka antsika Izy hitory ny Vaovao Mahafaly eo anivon’izao tontolo izao na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika, naniraka antsika hanambara ny fandresena ny ratsy. Maro ny zavatra manahirana antsika sy mahatonga antsika ho feno fisalasalana ary indrindra mety mitady hanome tsiny an’Andriamanitra aza kanefa isika izao no apostôly, isika izao no Kristianina mpanaradia an’i Kristy, isika izao no Kristy Mpiara-belona amin’ny olona araky ny tenintsika matetika. Tsy afenina tokoa fa mafy izao ady atrehina noho ity KORONTANAVIRUS ity izao ka maro voan’ny fakam-panahy samy mandeha samy mitady. Io indrindra no nampitandreman’I Papa antsika satria mitondra antsika amin’ny fifanapotehina, amin’ny faharavana tanteraka. Izany tokoa ve no lalana ? .......[.........]

