AHAZOANA HASAMBARANA NY MIASA AMIN-KERIM-PO
Ry Kristianina havana, mamaramparana ny taona litorjika isika ka ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika dia hanampy antsika handinika ny fiafaran’izao fiainantsika izao satria isika izay nohariana dia misy fiafarany ka hanomana an’izany farany izany no irin’ny Eglizy ampianarina antsika amin’ny alalan’ireo vakiteny arosony amintsika amin’izao Alahady faha 33 mandavantaona izao mba hanampy antsika bebe kokoa ho EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA, ho Kristy mpiara-belona amin’ireo manodidina antsika. Arakaraky ny fiheverantsika izany fiafarana izany no entintsika hamolavolana an’izao fiainana izao, raha isika mieritreritra fa tsy misy antenaina aorian’izao fiainana izao dia aza gaga àry isika fa ny fahendren’izao tontolo izao no entintsika mamolavola ny fiainantsika andavanandro, izany hoe hanararaotra isika noho ny fitiavan-tena ka hanapotika sy hanilikilika ny hafa. Fa raha ny fiainan-ko avy izay fantatsika fa tsy fiafarana fa fidirana amin’ny tena fiainana iombonana amin’Andriamanitra kosa dia miomana isika ary izay sahady ny antitranterin’ny vakiteny tamintsika tamin’ny Alahady lasa teo raha nandinika ny virjiny adala sy ny virjiny hendry isika.....[.......]