FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-4 MANDAVANTAONA B2021

« Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra » (Mk. 1: 24)


Ry Kristianina havana, mitohy ny fandalinam-pinoantsika amin’izao vaninandro mandavantaona izao hivelomantsika ny “départ vaovao” hirosoantsika amin’ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA TABERNAKLA.
Tamin’ny Alahady fahatelo lasa teo dia nohalalinintsika fa ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana. Io fitondran-tenantsika ratsy io izany dia azontsika ovana raha mibebaka isika, io ilay lazaintsika “changement radical”, fiovam-penitra mahery vaika. Tanteraka io “fiovam-penitra mahery vaika” io raha mitoetra ao amin’Andriamanitra isika, raha mitoetra ao amin’i Jesoa ary i Jesoa mitoetra ao amintsika. Raha miova ho tsara ny fitondran-tenantsika dia miova ho tsara ny fifandraisantsika amin’ny zava-boaary ka mivelona ny vôkasiontsika hatramin’ny voalohany isika izany hoe “mpiambina, mpikolokolo”. Raha tanteraka io vôkasiontsika io dia hamokatra voa tsara isika ka ho feno hafaliana sy fiadanana. Manomboka eo anivon’ny fianakaviana, eglizy kely izany ezaka ataontsika izany, tarihin’ny Ray, Baba, tsy “sefo” mamoritra fa ray mpitarika amin’ny fifanasoavana sy fifampitsimbina hahitan’ny tsirairay sy ny rehetra fivelarana, ilay fivelaran’ny mahaolona manontolo sy olon-drehetra......[lire la suite]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-03 mandavantaona B2021

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady faharoa mandavantaona lasa teo isika dia nandinika manokana ny vôkasiona fa indrindra amin’izao fanombohan’ny taona izao ka nametrahantsika indrindra ny vôkasion’ny Ray satria mila Baba izao andro izao ka I Md Josefa no modely amin’izany ary izy koa no mpivavaka. Miroso hatrany isika ary manohy ny fandalinam-pinoana amin’izao vanim-potoana mandavantaona ka tohizantsika ny fandinihana ny vôkasiona miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra. Samy nantsoin’Andriamanitra isika tsirairay avy mba ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA. Amin’izao Alahady fahatelo mandavantaona izao dia antintraterin’ireo vakiteny telo fa fotoana tsara izao sady vaninandro mitondra fahasoavana avy amin’Andriamanitra satria miantso antsika Andriamanitra mba hihavao sy hiala amin’ny toetra ratsy. Araka ny fitenin-drazantsika ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana. Izany rahateo ny votoatin’ny tenin’Andriamanitra androany.....[ lire la suite ]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-2 MANDAVANTAONA B2021

SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA


Ry Kristianina Havana malala, amin’izao Alahady tsotra faharoa mandavantaona dia mampiditra antsika tanteraka amin’ny fandalinam-pinoana ka hivelomantsika ny hafatra ao amin’ny taratasy pastoraly faha 8 fa indrindra ny annexe mikasika ny fianakaviana eglizy kely miara-mikolokolo sy mikarakara ny zavaboaary. Araka ny voalazantsika matetika tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa ataony izao rehetra izao hahasoa izay tia azy ka inona tokoa fa mifanojo tsara ny hafatra pastôraly sy fanambaran’i Papa mikasika ny taoan’I Md Josefa sy taonan’ny Fianakaviana sy ny fikatrohana pastôraly ataontsika araka ny hafatra pastôraly n° 8 sy ireo annexes. Mila Baba, mila Ray izao tontolo izao hoy ny Papa ka I Md Josefa no modely sady mpivavaka mba ho tanteraka tokoa io faniriana io dia nataony ho taonan’ny Fianakaviana mandinika ny Amoris Laetecia ity taona ity izany hoe hivavahana sy handalinana ny fianakaviana fa fankalazana ny faha 5 namoahana an’io Fampirisihina Apostolika vokatry ny sinaoda mikasika ny fianakaviana ka namohana ilay vavaka ataontsika miaraka amin’ny Fianakaviana Masina ataontsika isaky ny sabotsy sy ny alahady......[lire la suite]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADIN’NY NANAOVANA BATEMY NY TOMPO


I JESOA NATAO BATEMY TANDINDON’NY BATEMINTSIKA


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo ny Epifania nisehoan'ny Tompo izany hoe eto anivontsika tokoa Andriamanitra. Izao Alahady izao no hankalazantsika ny Batemin’ny Tompo. Azo lazaina fa mbola Fisehoany ihany koa ary mitodika bebe kokoa amintsika olombeloa satria ny batemin’I Jesoa dia tandindon’ny batemintsika. Izany no mandrisika antsika hahafantatra sy handalina bebe kokoa ny tena dikan’ireny anarana entintsika ka mahatonga ireo Raiamandreny nanome anaran’ny batemy na dia eo aza ny anaran’ny mahaolombelona. Io fanomezana anarana hafa io no manambara fa tena fahateraham-baovao ho antsika tokoa ny batemy. Io ilay lazain’I Joany : Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra.
Tanteraka izany mistery lehibe izany ao amin’I Jesoa Kristy satria Andriamanitra Izy tonga olombelona. Araka ilay Feo avy any an-danitra : “Ianao no Zanako malalako Ianao no ankasitrahako…...lire la suite

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY EPIFANIA TAONA B2021

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY

 
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Noely isika izany hoe Andriamanitra eo anivontsika Emanoela”. Tsy Andriamanitra lavitra tokoa ny Andriamanintsika fa Andriamanitra mikarakara sy mikolokolo antsika. Tonga Olombelona I Jesoa mba hanarina ny fiainantsika olombelona lavo amin’ny fahotana tamin’ny fototra izany hoe potika ny fifandraisana telo mandrafitra ny maha olona dia ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy olombelona ary amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga antsika milaza fa fahariana vaovao ny fahatongavan’ny Zanak’olombelona hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Tahaka ny fahariana voalohany dia antsoin’Andriamanitra isika hiaraka Aminy hanarina ny potika. Io no antsoin’I Papa miainga amin’ny ekolojia feno mitandrify ny mahaolona ka amerimberenany amin’izao ny hoe fahaizana mitandro ny tontolo mitondra amin’ny fikoloana amin’ny lafiny rehetra : “culture des soins”. Mifanojo tsara amin’ny ezaka ataontsika manohy ny efa natao tamin’ny tapany voalohany : “Fianakaviana eglizy kely mikarakara sy mikolokolo ny zava-boary.”.....[ lire la suite.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny