« Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely » (Mk. 1: 15)
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady voalohan’ny karemy izao dia tian’ny Eglizy sahady ho tsapantsika amin’ny alalan’ireo vakiteny fa izao fizorantsika mankany amin’ny Paka mandritra ny 40 andro izao no iezahantsika miala amin’ny fiainana tsizarizary izay mandrendrika antsika amin’ny fahotana ka hitondra antsika kosa amin’ny fiainam-baovao amin’ny Paka ka hanaovantsika “départ vaovao”, fiaingana vaovao ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VAOVAO HIZARA NY FAMINDRAMPON’ANDRIAMANITRA HO MPAMAFY FIADANANA SY FANANTENANA. Raha miara-maty amin’i Kristy isika dia hiaraka hitsangana Aminy koa. “Ady sady Dia” ny fiainana maha zanak’Andriamanitra antsika ka ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’i Kristy no hery ho antsika......[.......]