Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra
Ry Kristianina havana, tonga amin’ny ivon’ny DIA sy ny ADY isika amin’izao karemy 40 andro irosoantsika tsikelikely amin’ny fiainam-baovao izay andrandraintsika amin’ny Paka izao hanaovantsika “nouveau départ”, fiaingana vaovao vokatry NY FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA NY FITONDRAN-TENA entanin’ny safidy matotra hametraka an’I Jesoa ho ivon’ny fiainana sy eo anivon’ny fiainana, ho ivon’ny FIANAKAVIANA “EGLIZY KELY” ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA.
Amin’izao Alahady faha-4 ny karemy izao dia abaribarin’Andriamanitra amintsika fa na dia manao akory ny toetrantsika na korontan-dava ny fiainantsika vokatry ny KORONTANAVIRUS dia tonga nanolotra ny ainy i Kristy ary vonona Izy hanavotra antsika sy hanolotra ny fahasoavany, handrindra ny zava-drehetra fa anjarantsika kosa ny miditra sy manaiky handray ny fahasoavana avy Aminy, fahasoavana izay omeny maimaim-poana.....[........]