Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho
Efa herinandro maromaro isika no nivelona ny hafalian'ny Paka izay manambara an'i JESOA ilay mpiara-belona amintsika eo anivontsika tokoa izy ary mampibaribary ny fitiavan'Andriamanitra amintsika. Efa manakaiky ny faramparan'izao vanim-potoana lehibe ny Paka izao isika satria Alahady fahaenina androany ary afaka andro vitsivitsy dia hankalaza ny fetin’ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra isika.
Nandresy tokoa izy ka eo ankavanan'Andriamanitra Ray, avy any izy araka ny tenin'Andriamanitra androany no mandefa ny Fanahy masina mba hitohy izay asa nataony tsy inona fa ny asam-pamonjena ..[........]