« Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany » (Jo. 2: 11)
Androany ny lohahevitra “Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra” dia manasa antsika hiaina izany rehetra izany miaraka amin’Andriamanitra satria eo anivontsika I Jesoa. Miara-dàlana amintsika izy ka fantany ireo hetahetam-pontsika. Ho tanteraka izany raha miombona aminy isika izay no mahatonga antsika matetika milaza fa raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra hanao ny asantsika ary ho lavorary kokoa satria lavorary izy.
Ny mahadiso antsika matetika dia mieritreritra mahavita tena samirery, mieritreritra fa lavitra Andriamanitra ka mikofokofoka irery, farany efa tsy mahita hevitra dia mitady Andriamanin-kafa isika ka lavo amin’ny zavatra tsy mety ka vao mainka mikorontana ny fiainantsika. ...[.....]