“Mandehana àry, ka manaova toy izany koa”.
Ao anatin'izao Alahady faha-15 tsotra izao dia miditra amin'ny tapan'ny faharoa amin'ny fandalinam-pinoana isika. Raha mijery tsara isika dia Alahady 30 eo ho eo mandavantaona no andalinantsika ny finoana. Tsy mahagaga ry Kristianina havana amin'izao alahady ivon'izany fandalinam-pinoana hivelomantsika an'izay finoana izay, raha ny votoatin'ny fampianarana anio dia ny fiainana sy ny fahaizantsika mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro izay. Tsy lavitra Andriamanitra fa eo akaikintsika io, satria ny eo akaikintsika dia mitovy endrika amin'Andriamanitra [........]