Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena
Faly isika mianakavy amin'ity andro 15 Aogositra ity satria andro fankalazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra izany hoe olona iray rà amintsika no tafita nampakarina any an-danitra ka faly mifampiarahaba isika satria manaporofo izany fa tsy nofinofy ho antsika izao finoantsika izao. Betsaka ny mitady hanome tsiny hoe : "manonofy ianareo" ary dia hitan'Andriamanitra fa mety misy hanana an'izay eritreritra izay mitady hanakivy atsika, inona ny nataony? Ilay Renin'Andriamanitra nampiakariny any an-danitra ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra. Tsy hoe noho ny fahamendren'i Maria fa noho ny fahasoavana vokatry ny fanavotan'i Jesoa dia tanteraka ao amin'i Masina Maria izay tsy maintsy ho tanteraka amintsika mianakavy..[.....]