NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA
Anio 1 oktobra dia mankalaza an’I Mb Terezin’I Jesoa Zazakely isika. Izy no Mpiaro voalohan’ny Misiona. Androtsaka ny Oran-draozam-pahasoavana amintsika anie izy ka ho misionera tokoa isika jiaby. Raha tamin'ny Alahady lasa isika nandinika ny hoe tsy mahazo mipetrapetraka isika fa tsy maintsy miasa, izay no mbola antintranterin'i Jesoa amin'ny fanoharana ataony androany ao amin'ny Evanjely izay vakintsika amin'izao Alahady faha 26 mandavantaona izao. Tsy ampy ny manome toky fotsiny hoe handeha hiasa fa tsy maintsy manantanteraka an'izany asa izany isika ary raha miara-miasa amin'Andriamanitra isika dia Andriamanitra tokoa hanao ny asantsika....[......]