Hafatry ny Arseveka Mgr Ramaroson Benjamin

Faly manolotra amintsika ny TORO-LALANA HANAMPY ANTSIKA AMIN’NY FANDALINANA ATAON’NY FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MBA HO TENA NOUVEAU DEPART PANETEKOTY VAOVAO NO HETREHINTSIKA ITY TAONA PASTORALY VAOVAO ITY AO AORINAN4NY KORONTANAVIRUS ARAKA NY HAFATRA PASTORALY FAHA-8.

Amin’ny Alahady ho avy izao faha 22 novambra no mamarana ny Taona litorjika isika ka faly miarahaba antsika nahavita ity taona ity izay tena mafy tokoa. Apetratsika eo ampelanan’Andriamanitra Ray be Famindrampo io taona litorjika B vaovao ka hitondra fanambinana ho antsika EOV MISIONERA JIABY ho tena PANTEKOTY VAOVAO TOKOA SY DEPART VAOVAO TOKOA. Hivavaka manokana isika ho an’ny diosezin’Ambanja mba ho voatendry ny Mpiandry Ondry ho azy ireo manambara izay depart vaovao izay. MITSODRANO ANTSIKA OLO ARAIKY JIABY. Hifampivavaka miaraka amin’i Masina Maria sy Olts Lucien Botovasoa mba ho TAOM-PAHASOAVANA ity taona litorjika vaovao ity. Mivavahà ho ahy mpanomponareo.

Tsindrio eto hamaky ny toro-làlana ary eto ny taratasy pastoraly faha-8

 

20/11/2020

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*