FAMPIANARANA EVEKA - CATÉCHÈSE

Famangiana Pastoraly tao SIRAMA ny faha 08 ka hatramin'ny 10 Aprily 2016

Ny Alahady fahatelo amin'ny fankalazana ny Paka ny faha 10 Aprily 2016 no namaranana ny famangiana Pastoraly tao Sirama. 
Izao famangiana pastoraly izao, I Jesoa no mamangy atsika, izy no ilay mpiandry ondry tsara izay mivolagna amintsika, hoy ny tenin'ny Arseveka rehefa manao fitsidihana pastoraly izy. 

 

Sombiny tamin’ny toritenin’i Mgr Arseveka Benjamin Ramoroson :

Inona ny zava-dehibe ataontsika ?
Alatsaho ny haratonareo hoy i Jesoa dia namokatra, ary tena mahavariana fa samy nahita ireo mpianatra ireo fa i Jesoa io fa tsy nahasahy niteny izy ireo fa ny Tompo io. Tsy ny fitafatafana eran’ny tsena ny zava-dehibe fa isika miasa ho an’ny Tompo ary mamokatra ho an’ny Tompo ary izay no maha Eglizy “pilote” anareo. Mbola nanatona koa i Jesoa nangataka hoe ; “omeo sakafo aho” nefa izy no nampamokatra. Izay i Jesoa Eokaristia ho antsika, izay no Andriamanintsika. Nefa izy no tompon’ny zava-drehetra fa ny tadiaviny dia isika ho sambatra ao aminy ary hampamokatra ny fiainantsika. Raha mamokatra ny fiainantsika, raha Eglizy “pilote” ianareo dia fantaro ary fa tahaka ny nataony tamin’i Piera no ataony aminareo tsirairay, ataony amintsika tsirairay “moa ve tia ahy ianao ?”

Mametraka fanontaniana ho atsika koa Andriamanitra

Andro pantekôty, androm-pahasoavana ho antsika eto androany, manontany atsika tsirairay manomboka amin’ny tenako ka hatramin’ny ankizy madinika jiaby manontany Andriamanitra hoe  moa ve tia ahy ianao ? izay ny dikan’ny fiekem-pinoana hiarahantsika manao rehefa avy eo, manavao an’izany atsika tahaka an’i Piera. Mamaly ary isika fa tiako ianao.
Fantaro ary ry Kristianina havana fa tsy “je t”aime, tiatiako anao” io. Tsy fitiavana mikombona fa tahaka ny nitiavan’ny Ray ahy, jereo ny hazo fijaliana, fahano ny zanakondriko fahano ny reniondriko.


Iza ary ireo ondry ?
Tsy iza fa ireo akaikinao indrindra, ireo miaraka aminao andavanandro, io no tsy maintsy fahanana dia fahanana an’i Jesoa.

Io no valin’ny fanontanianareo tamiko omaly hoe; “Ahoana ny atao an’ireo manohitra ny fivavahana, ny mbola tsy mino, ny mbola tsy mivavaka?“
Fahano an’i Jesoa izy ireo. Tsy maintsy misy “valeur” kokoa ny zavatra omentsika an’ireo manodidina atsika, raha tsy misy “valeur” dia fantaro fa tsy hanaitra an’izy ireo....

Tsindrio eto hamaky ny toriteny rehetra

03/05/2016

TARATASY FANENTANANA ATSIKA JIABY TSAIKY MADINIKY

Ho tohin'ny taratasy pastoraly laharana faha-telo, toro-làlana avy amin'i Arseveka Ray aman-dReny tamin'ny septambra 2014, 
”TSY TONGA MBA HO TOMPOINA FA HANOMPO….” (Mk 10, 45), ho antsika Vita Batemy jiaby sy ny olona tsara sitra-po rehetra, Olo Araiky ato amin’ny Diosezy, efa voasoratra fa ho hisy taratasy manokana atolotra ny isan-tsokajiny hanazavàna izay andrasana amintsika tsirairay mikasika ny maha-misionera antsika, dia indro ary ny taratasy fanentanana ny tsaiky madiniky zary misioneran'ny famindrampon'Andriamanitra :

 

TARATASY FANENTANANA ATSIKA JIABY TSAIKY MADINIKY
NIHINTSIKA OLOBE, NIHINTSIKA MPANABE
« Nisy tsaiky madiniky maromaro nandesigny tami-nany biaka
hamitrahan’ny tagnana ndrêky hivavahany nihindrô. Fa nandrara irô mare ny ampianatra-nany.
Kê nivolagna tamin-drô i Jesoa : « Avotsôra tsaiky aby io fa k’aza raràna tsy hagnatono Zaho ; fa
ny mira irô kony izy nihin’ny fanjakan’ny Lanitry. » Lêra baka namêtraka tanana tamin-drô i
Jesoa nanohy dia-nany. (Mt 19, 13 – 15).
Araka izay volagn’i Jesoa izay, Izy fo eky mikaiky ny tsaiky hagnatono Izy. Ah zalahy ! Teky
fitiavana bebe tamin’i Jesoa ankitigny anarô tsaiky jiaby ê ! Anarô tsaiky, tegna tian’i Jesoa ankitigny. Mety
araraotinarô zegny tombom-pitiavagna anarô zegny. Mandao magnatono Izy, k’aza misalasala !
Fanontaniana : Ino mà avian’i Jesoa mankatia ny tsaiky ?
Ravoravo zaho indrindra amin’ny fidiran’ny Diosezy amin’ny fahatsiôtampolo (60)
taogno vaovao kê mandefa volagna aminarô Tsaiky tsaraikaraiky amin’ny Taogno
Masignin’ny Famindrampo iziô ity izaho. Misiôneran’ny Famindrampo ankitiny anarô
tsaiky. Tia hagnano zaka nataon’i Jesoa tamindrô tsaiky fanôjy Izy Babanarô. Kê k’aza
mavozo anarô magnatono Jesoa fôtiny magnabiana fò-nany aminarô Izy. Mikaiky anarô
Izy hanjary Apôstôlin’ny Fo-nany Masiny. Hanjary Misiôneran’ny Famindrampo.
Mibiagna aminarô tsaiky ny tsiôtampolo taogno vaovao. Fôtotro itsanganan’ny
tsiôtampolo taogno vaovao anarô… Kê izikà tsara ny fôtotro hirafitry tsara ny
diosezintsika. Tsara ny fôtotro izikà magnabiagna fonarô amin’ny Fo Masign’i Jesoa anarô
kê manjary Apôstôlin’ny Fo Masign’i Jesoa, hanjary Misiôneran’ny Famindrampo.
Miambigny anarô tsaiky hiroso amin’ny lalindalina kê hanjary ho Apôstôlin’ny Fo Masign’i
Jesoa, hanjary Misiôneran’ny Famindrampo. « Iniany baka ny ho avy fa tsy amaray izikà
mirotsaka atsika Tsaiky jiaby! »

 

Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny HAFATRA

02/03/2016

Famangiana Pastoraly tao Sambava ny faha 18 ka hatramin'ny 20 desambra 2015

Ny Alahady fahefatra amin'ny fiavian'ny Tompo ny faha 20 desambra no namaranana ny famangiana Pastoraly tao Sambava. 
Nizara roa ny fampianaran'i Arseveka Ray amandReny tamin'ny teny fampidirana nandritra ny sorona masina :

Natomboka taminy  fanazava indrindra mikasika ny logo ny famindrampon'Andriamanitra ny fampianarana.
Ary notohizana kosa famin'ny firesahana ny fiainana pastoraly ny misiona Sambava izay nasongadin'i Arseveka ireo zavatra telo tsapa fa tena nanaovantsika ezaka ka niarahabany ny kristianina ao amin'ny misionan'ny Sambava dia :

Ny voalohany izay zava-dehibe tokoa dia ny firaisankina anatin'ny misiona anankiroa ao Sambava (Centre sy Antanifotsy).Marina fa samy manana ny  fizarazarana hatramin’ny Eglizy fiombonana ka hatraty amin’ny Eglizy iraka, fa miezaka ny Kristianina ho tena Eglizy ary ao anatin’ny firaisankina. 

Ny faharoa azo asongadina amin’ny ezaka vita tato ho ato ary tokony hohalalinina, tsy tokony ho afapo amin’ny ezaka lehibe izay vita ato amin’ny Eglizy iraka roa ny fandraisana an-tànana : ao ny hasim-pinoana, ao ny rakitra araka ny tatitra rehetra, tohizina izay ary hamafisina.

Ny fahatelo mila ho hatsaraina bebe kokoa satria mbola maro ny tsy mety aminy kanefa efa nisy ny ezaka vita, tsy inona fa ny fandalinam-pinoana ny katesizy izany. Tokony atomboka any amin’ny Eglizy fiombonana. Nisy ny ezaka amin’ny fandalinam-pinoana porofon’izany roanjato mahery no manao konfirmasio.

Raha izay telo izay no misongadina ka anaovana bravo ny kristianina amin'ny misiona Sambava, ireto kosa ny indro kely ka mila ezaka bebe kokoa ka tena hanaovana ezaka tsy hoe amin’ity taona ity fotsiny fa ilaina hitohy :

- Ny voalohany fametrahana any amin’ny Eglizy fiombonana ireo rafitra rehetra
- Ny faharoa fandalinana ny taratasy pastoraly telo, taratasy manazava ny fianakaviana Eglizy kely izay no voalohany, ny faharoa dia Eglizy mandray an-tànana ny Eglizy velona, ary ny taratasy faha-telo ny maha-Eglizy ny Eglizy 
- Ny fanaovana programme manokana atao ho an’ireo tsaiky madiniky amin’ity taona ny famindrampo ity satria araka ny fantatrantsika natao ho misioneran’ny famindrampo ireo ankizy

 

Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana  famangiana pastoraly tao SAMBAVA

 

 

 

 

02/03/2016

Famangiana Pastoraly tao Andapa ny 12 ka hatramin'ny 14 desambra 2015

Tamin'ny Alahady voalohany nanombohana amin'ny Eglizy Katokila eran-tany ny TAONA MASINA dia ny faha 13 desambra ny famangiana Pastoraly tao Andapa. Matetika ny eveka no milaza amintsika fa tsy mba misy zavatra kisendrasendra ao amin'Andriamanitra fa ataony izao rehetra izao mba hanampy atsika hifantoka bebe kokoa amin'izay finoana izay. Ny finoana tokoa no maha-voavonjy fa tsy misy zavatra hafa : na ny vola, na ny harena dia tsy hazahoana famonjena na oviana na oviana. Antintraterin'ny eveka Raiamandreny fa zava-dehibe ny pastoraly iombonana ato amin'ny diosezy ka tsara ary tsy maintsy haverina vakiana, fakafakaina, halalinina ireo taratasy pastoraly telo efa navoaka amin'ny diosezy nandritra ny roa taona zay : 

- ny voalohany izay nanambarantsika fa ny fototra pastoraly eto amin'ny diosezy dia miainga amin'ny FIANAKAVIANA EGLIZY KELY
- ny taratasy faharoa dia ny fanazavana ny mikasika ny hasim-pinoana, ny fanazavana ny rakitra, ahoana ny velontegnan'ny Eglizy, ahoana ny velontegnan'ny pretra
- ny fahatelo manazava bebe kokoa an'izay fandraisana an-tànana amin'ny lafiny rehetra izay, tsy inona izay fa manazava hoe inona marina ny atao hoe Eglizy ary manazava ny rafitra eto amin'ny Diosezy izay miainga any amin'ny fototra fa tsy miainga any amin'ny lohany.

 Tsara ho vakintsika ny taratasy telo ireo hahafahantsika, fa indrindra amin'izao faha-60 taona ny diosezintsika izao, mba hiroso lalindalina kokoa fa efa olombe, efa matoe ny olona 60 taona izany ka ilaina ny hirosoantsika lalindalina kokoa. Indrindra amin'izao taona masina izao indrindra no hanehoantsika an'izay

 

Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana  famangiana pastoraly tao ANDAPA

Tsindrio eto hamaky ny toriteny  famangiana pastoraly tao ANDAPA

 

 

28/12/2015

Famangiana Pastoraly tao Ambilobe - Ny 23 ka hatramin'ny 25 oktobra 2015

Tamin'ny andro Alahady faha-25 oktobra, Alahady mamarana ny volan'ny raozery, ary mamarana ihany koa ny sinaodan'ny fianakaviana tany Roma no namaranana ny fitsidihana pastoraly tao Ambilobe. Feno zato taona no nanaovana batemy voalohany tao Ambilobe. Sarotra ny nanombohana azy, tahaka ny nahasarotra ny fitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ny voalohany, tamin'ny niandohan'ny Eglizy tany Roma, sarotra koa ny tao Ambilobe. Isaorana an'Andriamanitra fa nisy firosoana amin'ny lalindalina kokoa sy ny ezaka goavana natao nefa mbola maro koa ny ezaka tsy maintsy atao satria na dia eo aza ny fanorenana Eglizy trano ao anatin'ny misionan'Ambilobe, dia ny fanorenana ny Eglizy olo no nantenanan'i Eveka manokana ny misiona :

1- Fametrahana rafitra tahaka ny manorina ny Eglizy trano no tsy maintsy ilana rafitra koa ny fanorenana  Eglizy olo. 

2 - Famakiana sy famakafakana ny taratasy pastoraly satria io no manome ny làlan-kombantsika eo amin’ny lafin’ny pastoraly mba tsy handeha fotsiny amin’izao isika fa misy làlan-kombana mazava

3 - Fiainana mba ho Eglizy Velona ny Eglizy olo zay arafitra satria :

- Velona ny Eglizy raha mivavaka
- Velona ny Eglizy mivavaka raha mandalina ny finoana
- Velona ny Eglizy raha mijoro ho vavolombelona
- Velona ny Eglizy,  raha manompo, ary izay no maha-Eglizy ny Eglizy, ary itahafany amin’i Kristy
- Velona ny Eglizy raha mandray an-tanana

Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana  famangiana pastoraly tao Ambilobe

18/12/2015