FAMPIANARANA EVEKA - CATÉCHÈSE

1ère émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

 

“Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy” (Mt 5,8)

 

Araka ny efa fantantsika, io no lohahevitra hanentana ny JMJ Mada VIII. Hampifantoka ny tanora amin’ny hasambarana atoron’i Kristy ny papa Fransoà ka tsy ho very anjara amin’izany isika tanora eto Madagasikara.

Maro ianareo tanora efa nisoratra anarana, eo ianareo ato amin'ny diosezin'Antsiranana hiainga ny faha 09 septambra hanao ny fivahiniana masin’ny JMJ Mada VIII any Fianarantsoa ny 15 ka hatramin'ny 20 septambra izao.
Samia mitondra am-bavaka izany isika mianakavy

 

HAFATRA HO ANTSIKA TANORA GENERATION MAKARIOS MISIONERAN'NY FANTENANANA

Toko telo mahamasa-mahandro ny fototry ny fampianarana entin'i Eveka amintsika amin'izao fotoana ankatoky ny fihaviniana masina izao dia ny :

- Toe-Panahy hananana amin'ny pèlerinage izay atao

- Fiainana ny maha "génération" Makarios

- Tanjona amin'ny pèlerinage izay atao

 

Atolotra atsika ary ny fizarana voalohany

 

24/08/2015

FAMANGIANA PASTORALY PAROISSE NOTRE-DAME DE L'ASSOMPTION TANAMBAO

 

"Tsy izaho fa ilay mpiandry ondry no mamangy anareo" tenin'i Eveka Mgr Benjamin Ramaroson
rehefa manao fitsidihana pastoraly izy.

Taorian'ny famangiana pastoraly tao amin'ny paroasy Md Piera sy Paoly (paroisse militaire), dia nanohy ny famangiana ny paroasy Notre-Dame de l'Assomption ilay "Mpiandry ondry" ny diosezy Antsiranana ny faha 19 ka hatramin'ny 21 jiona.
Koa ny fampianarana nataony nandritra ny asabotsy faha 20 jiona no atolotra ho antsika mianakavy.

 

12/07/2015

GRAND SEMINAIRE PAUL VI : FAMARANANA NY TAOM-PIANARANA

Natao tamin'ny Alakamisy 02 jolay 2015 ny famaranana ny taom-pianarana ao amin'ny Grand Seminaire Paul VI Antsiranana, toerana fiofanan'ireo seminarista avy amin'ny lafy valon'ny arsidiosezy avaratra dia ny diosezy Antsiranana, Ambanja, Port-Berger ary Mahajanga.

Andro lehibe ho an'ireo seminarista zokiny rehetra sy ny mpanabe, ny diosezy, ary ny arsidiosezy

- ka nisy ny sorona masina ho fisaorana an'Andriamanitra izay notarihin'ny son excellence Mgr Benjamin Ramaroson
- ny fitsofan-drano ireo seminarista nahavita ny telo taona fianarana ny filozofia, sy ireo nahavita telo taona fianarana teolojia
- ny fanaovana veloma sy fisaorana ny père Félicien avy amin'ny diosezin'ny Mahajanga, izay Recteur tao amin'ny Grand Seminaire Paul VI nandritra ny 4 taona

Nosoritan'i Eveka tamin'ny fampianarany nandritra ny sorona masina fa ny vakiteny nohenoina  dia tsy ireo seminarista no nifidy azy fa vakiteny izay atolotry ny eglizy amin'ny andro androany (02 jolay) dia ny "fiantson'Andriamanitra an'i Abrahama", izay mifanaraka tsara amin'ny andro natokana ho fetin'ireo seminarista tao amin'ny Grand Seminaire Paul VI. Ny famaliana ny Antson'Andriamanitra dia mitaky Fahatokisana, Fitiavana, Fahafoizana nefa raha manao ny asan'Andriamanitra isika dia hanao ny asantsika Andriamanitra...

03/07/2015

MARIE

Qu'est-ce que le Coeur Immaculé de Marie?

Le cœur Immaculé de Marie est célébré par la liturgie catholique
le samedi qui suit la solennité du Sacré-Coeur.

Mais qu'est-ce qui est effectivement célébré à cette occasion ? 

Pour comprendre le sens profond de la dévotion au cœur immaculée de Marie il est nécessaire de recourir aux Écritures.

Le cœur dans la Bible n’a rien à voir avec les sentiments ou pire le sentimentalisme comme la culture contemporaine le distille un peu partout dans les médias ou la littérature. Hélas, la dévotion au cœur immaculée de Marie peut parfois souffrir de ces représentations mielleuses. C’est méconnaître la portée profonde de cette dévotion qui relève plutôt de l’acte de foi !   

Le cœur dans la Bible est le lieu de la «mémoire», il contient les souvenirs, les idées, les projets et les décisions. Le Siracide 17,6 affirme que le cœur est donné à l’homme pour penser. 

 

Une foi absolue

Le cœur est la source de la personnalité des humains, là l’histoire personnelle rencontre le Seigneur. Ainsi et avant tout le cœur est-il le lieu de la foi (Éphésiens 3,17) ! Vivre selon l’Évangile exige de recevoir la parole dans son cœur (Luc 8, 15), aimer Dieu de tout son cœur (Matthieu 22, 37), pardonner de tout son cœur (Mt 18,35). Ainsi approché et reçu le Seigneur «doux et humble de cœur» (Mt 11, 29) rend le cœur tout brulant à ceux qui le rencontrent (Luc 24, 32).

Lorsque l’évangéliste saint Luc affirme que Marie «gardait  et méditait tous ces événements dans son cœur», parlant du mystère de l’identité de Jésus, il présente Marie comme modèle de la foi, modèle des croyants. Le cœur immaculé de la Vierge est une expression qui nous renseigne sur l’absolu de sa foi, de sa confiance et de l’accueil du Seigneur au plus intime de sa personne en termes de souvenir, projets, et décisions.

Le Pape François, dans le cadre de l’année de la foi, en consacrant le monde au cœur Immaculé de Marie le 13 octobre 2013 invite toute l’Église et le monde à oser la foi totale dont Marie est le modèle et le guide.  Cette consécration est un appel et un espoir affirmant que la foi est à la portée de l’Homme, qu’elle est possible !

 

Source http://www.croire.com/Definitions/Bible/Marie/Coeur-Immacule-de-Marie

13/06/2015

ANIO NY HOAVY FA TSY RAHAMPITSO

 

Tsy izaho no mamangy anareo fa ilay MPIANDRY ONDRY TSARA.

Tenin'i  Arseveka matetika rehefa manao famangiana pastoraly amin'ny diosezy izy.

Famangiana PASTORALY tao amin'ny paroasy Md Piera sy Paul (Aumonerie militaire)

ao Antsiranana ny faha 14 ka nifarana ny 17 May 2015 lasa teo

11/06/2015