FAMPIANARANA EVEKA - CATÉCHÈSE

6ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

 
"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)
 
Tsy "tourisme" na "voyage d'étude" fa fihaviniana masin'ny JMJ no ataontsika, ka miombòna FO tanteraka amin'i KRISTY satria voafidy isika. "Ry Jesoa Kristy Tompo ô, Aza esorina aminay ny fanahianao, Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao ka Hisantaranay sahady ô, zany fiadananao...

03/09/2015

5ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

  "Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy"   Toetsaina telo no tsara hiainantsika ny fihaviniana masin'ny JMJ : -Fivavahana -Fandalinam-pinoana -Fiombonana Iraka isika, mpanompo isika tahaka an'i Mb Terezy, tahaka an'i Masina Maria, mahaiza miombona ary hizara ny hafalin'ny vaovao mahafaly amin'ny manodidina

 

01/09/2015

4ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII


"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)

 

Voafidy isika zay hamonjy ny fivahiniana masin'ny JMJ.
Maniraka atsika ho eo anivon'izao tontolo izao Andriamanitra, ka ambaran'i Jesoa Kristy ny toetra hananantsika amin'izao fiainana izay ADY sady DIA izao. Ny famakiana ny evanjely nosoratan'i Md Lioka toko faha 10 no hanohizana ny fampianarana

31/08/2015

3ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII


"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)

 

 IRAKA ianareo tanora génération Makarios hamonjy izao fihaviniana masin'ny JMJ izao,
tahaka ny nanirahan'i Kristy tsiroaroa ny mpianany no maha Iraka anareo koa eo anivon'ny Eglizy,
Toe-panahy Fiombonana no takina amintsika, " Vonona ve aho hiombona tokoa ? "

29/08/2015

2ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

“Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy” (Mt 5, 8)

 
Hamolavola ny maha misioneran'ny Fanantenana atsika tanora izao fivahiniana masin'ny JMJ izao. Telo toko ny tiana hampitana amintsika génération MAKARIOS amin'ity fivahiniana (pèlerinage) masin'ny JMJ ity 
- Ny Toe-panahy ho entina amin'ny fivahiniana 
- Ny fiainana ny fivahiniana sy ny maha misioneran'ny Fanantenana
- Ny Tanjona

27/08/2015