FAMPIANARANA EVEKA - CATÉCHÈSE

Famangiana Pastoraly tao Amboangibe ny 15 ka hatramin'ny 18 oktobra 2015

Tamin'ny Alahady faha 18 oktobra 2015 andro ankalazana maneran-tany ny misiona no namaranan'i Eveka ny famangiana pastoraly tao Amboangibe

 "Avia, maniraka anao aho" no lohahevitra nentin'i Papa manentana antsika tamin'ny andron'ny misiona.
Izay teny faneva amin'ny andron'ny misiona izay koa no nentin'i Eveka nanentana ny misiona Amboangibe tamin'ny fampianarana nataony.

IRAKA ISIKA
Maro ny Eglizy trano fa ny Eglizy olo no tsy maintsy atao ezaka. Ny atao hoe Eglizy olo dia isika miaraka mivavaka.
Io no ezaka ataontsika hahatonga Eglizy velona satria ny trano tsy misy aina fa isika izay miainga any amin’ny fianakaviana ny Eglizy kely

- Velona ny Eglizy raha mivavaka

- Velona ny Eglizy raha mandalim-pinoana

- Velona ny Eglizy raha mijoro vavolombelona

- Eglizy velona isika raha manompo

- Eglizy velona raha mahay mandray an-tànana

Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana  famangiana pastoraly tao Amboangibe

28/12/2015

Famangiana pastoraly tao Vohemar ny 02 ka hatramin'ny 04 oktobra

 

Sady nankalaza ny faha 100 taonan'ny misionan'ny Vohemar no famangiana pastoraly koa ny fandalovan'i Eveka nandritra ny telo andro ny 02 ka hatramin'ny 04 oktobra lasa teo.
Anisany hafatra namafisin'ny Eveka Ray amandReny tsara ny hoe EGLIZY VELONA isika raha EGLIZY MISIONERA :

- Eglizy velona isika raha isika tsaiky jiaby zary misioneran'ny famindrampon'Andriamanitra.

- Eglizy velona isika raha ny tanora jiaby zary misioneran'ny fanentanana (génération Makarios)

- Eglizy velona isika raha ny Olombe, ny Ray aman-dReny zary misioneran'ny fifankatiavana.

- Eglizy velona isika raha ny voatokana rehetra, Eveka, Pretra sy Relijiozy lehilahy sy vehivavy zary misioneran'ny fanompoana.

 

Toriteny nandritra ny sorona masina Alahady 04 oktobra, tsindrio eto

 

Fahasoavana ombam-pahasoavana, teo koa ny fanamasinana diakra efatra mirahalahy

Vakiteny sy Toriteny nandritra ny sorona masina Asabotsy 03 oktobra, tsindrio eto 

28/11/2015

9ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

 

 

"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)


ADY sady DIA ny fiainana miaraka amin'i KRISTY koa mahereza daholo, Soavadia ho an'ny Fianarantsoa, ary mirary anareo hahazo fahasoavana sy fahamasinana vokatry ny fihaonambe ho entinareo miaina ny Evanjely ka hahafantatra hampitraotro ny finoana sy ny fianana andavan'andro...fa izay no maha tanora génération Makarios anareo, misioneran'ny fanantenana

09/10/2015

8ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

 

 

"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)


« Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » (Mk. 7: 15)
Izao pèlerinage izao anie hanampy antsika handevina ny sampy rehetra mamatotra atsika tsy hiray fo amin'i Kristy

08/09/2015

7ème émission audio - FIOMANANA ny fivahiniana masin'ny JMJ MADA VIII

 

"Sambatra ny madio fo fa hahita an'Andriamanitra izy" (Mt 5, 8)

 
 

Izay madio FO dia manana ny lalana mankany amin'ny fahasambarana. Mahita an'Andriamanitra isika raha madio Fo.
Tsy mora anefa izany fa mila fanetren-tena zay vao hamokatra. Tsy maintsy misy safidy atao amin'ny fiainana. 
Raha vonona isika, ny lalana voalohany iombonana amin'i Jesoa dia ny fahafoizana, ny famolahan-tena.

Koa mirary isika rehetra mpivahiny hamonjy ny JMJ mba hiaina amimpanetren-tena izao pèlerinage izao, satria tsy maintsy misy fepetra horaisina hiainantsika mandritra ny andro vitsivitsy hiarahana any Fianarantsoa. Tandremo sao hirehareha, miezaha hiombona FO amin'i Kristy ka hitoetra ho mpanompo, sy misionera sahy fa anaty fanetren-tena. 

 

04/09/2015