FAMPIANARANA EVEKA - CATÉCHÈSE

FAMPIANARAN' EVEKA mikasina ny taratasin'i Papa Fransoa "Fratelli tutti"

"Olo araiky atsika jiaby", manandanja tokoa amin'ny fiainana maha zanak'Andriamanitra antsika, amin'ny maha Kristianina antsika. Namoaka encyclique ny papa Fransoa tamin'ny andro fety fankalazana an'i Md Fransoa tany Asizy ny 04 oktobra 2020 izay mitondra ny lohateny hoe " Fratelli tutti" na amin'ny teny frantsay -nous sommes tous frères - na azo lazaina koa amin'ny teny avaratra olo araiky atsika jiaby. Nisy fampianarana nataon'i arseveka Ray amandrenintsika mikasika izany encyclique izany amin'izao vanim-potoanan'ny karemy izao, koa ankafaliana no anasana antsika hihaino ny fampianarana
25/02/2021

NY FOTOANA NAHAFATESAN’I JESOA: Ny taona, ny volana, ny andro, ny ora.

Hankalaza ny Zoma Masina isika tsy ho ela. Ny Zoma Masina, izay hahatsiarovantsika manokana ny nahafatesan’I Jesoa Kristy Tompontsika teo amin’ny hazo fijaliana teny an-tampon’ny Kalvery. Fahatsiarovana sy fankalazana ny fara-tampon’ny fitiavan’Andriamanitra no ataontsika fa moa ve fantatsika marina ny momba izany fotoana sarobidy izany?

Indro ary, ireo teboka fito hahalalana ny fotoana nahafatesan’i Jesoa Kristy Tompontsika.  

Tsara ho fantatra mialoha:

 

A.D = Anno Domini = Anno Domini Nostri Iesu Christi = Andron’i Kristy. Izany hoe ny A.D 1 dia ny taona 1, miainga avy amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ka noraisin’ny fanjakana maneran-tany ho fanombohana ny fanisana ny taona rehetra mifandimby.

 

J.D = (tsy hita)

 

1.Ny Evanjely dia milaza fa ny namantsihana an’i Jesoa dia avy amin’ny torohevitr’i Kaifa

 

« Tamin'izay dia nivory tao an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, ary niara-nioko hisambotra an'i Jesoa am-pitaka, sy hamono azy izy ireo. » (Matio 26, 3 – 4; Joany 11, 49 – 53)

 

I Kaifa dia mpisorona nanomboka ny A.D 18 hatramin’ny A.D 36. Izany hoe tao anatin’ny fotoana naha voafidy ho mpisorombe an’i Kaifa no maty i Jesoa.

 

...... Tsindrio eto hamaky ny tohiny 

28/03/2018

Famangiana Pastoraly Paroasy NOTRE-DAME Assomption ny faha 27 - 29 Mey 2016

Ny Alahady ny SAKRAMENTA MASINA ny faha 29 Mey 2016 no namaranan'i Eveka Mgr Benjamin Ramaroson ny famangiana Pastoraly tao amin'ny paroasy NOTRE-DAME DE L'ASSOMPTION Tanambao Antsiranana. Tamin'ny andro faharoa ny Asabotsy dia nampianatra izy ny amin'ny tokony handalinantsika ny finoana amin'ny fidirantsika amin'ny vanim-potoana mandavan-taona izao. Ireo vakiteny atolotrin'ny Eglizy amintsika dia i Jesoa mampianatra atsika, manoro antsika ny lalan-kombana.

Ny fampianarana momba ny Sakramenta masina kosa no nataony ny Alahady famaranana ny famangiana pastoraly izay nifanojo indrindra tamin'ny andro nanaovana procession teto Antsiranana :Mila famantarana ny olombelona ka ny Sakramenta Masina, ny Eokaristia Vatana sy Ran'i Kristy dia manambara fa eo anivontsika Andriamanitra, Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanintsika.

- Fampianarana Asabotsy 28 Mey, hihaino tsindrio eto

- Fampianarana Asabotsy 28 Mey, hamaky tsindrio eto

-Toriteny Alahady 29 Mey, hamaky tsindrio eto

07/06/2016

Famangiana Pastoraly tao ACUA ny faha 20 - 22 Mey 2016

Ny Alahady TRINITE MASINA ny faha 22 Mey 2016 no namaranana ny famangiana Pastoraly tao amin'ny Aumônerie Catholique Universitaire Antsiranana. Fa  tsy isika fa ny fahasoavany no miaraka amintsika ary indrindra matetika aho miteny hoe tsy kisendrasendra fa atoron'Andriamanitra amintsika ny sitrany, tsy inona fa izao famangiana pastoraly izao dia ao anatin'ny fankalazana ny Trinité Masina izay fiombonann'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina na samy hafa izy ireo, hafa ny Ray, hafa ny Zanaka, hafa ny Fanahy Masina nefa Olo Araiky izy ireo. 

Nanentana ny eveka mba ho tahaka izany koa isika na samihafa fiaviana : misy ny avy any Antsinanana, avy any Andrefana, avy any Avaratra sy Atsimo nefa natambatra ho iray isika, harena anankiray izay. Harena ny olona satria misy vatana, misy tanana, misy saina sy FO nefa mitambatra ho iray. Tahaka izany koa isika ao amin'ny Trinité Masina, harena io fahasamihafantsika io toy izay ho zary source de violence na division. " La différence est une richesse" raha fantantsika ny manararaotra an'izany.....[tohiny .....]

 

06/06/2016

SAMBAVA - Fihaonana Voatokana - Pantekôty 15 Mey 2016

Tany Sambava no natao ny fihaonan'ireo voatokana ato amin'ny diosezy tamin'ity taona 2016 ity, ny faha-13 ka hatramin'ny 15 Mey lasa teo. Sorona masina lehibe no nentina namaranana ny fihaonana niaraka tamin'ireo kristianina faritra SAVA tamin'ny Alahady fankalazana ny Pantekôty.

Nampianatra ny Eveka ny tsara ho fantatra mikasika ny Fanahy, aoka hazava amintsika ny mahasamihafa ny Fanahy Masina sy ny fanahin'ny tromba.

- Ny fanahin'ny tromba tsy maintsy tompoina ary tanterahinao ny sitrapony, manompo izay tratrin'ny tromba, voafatopatotra. Ireo fady tsy maintsy tanterahina hatramin'ny lokon'ny lamba atao aza.
- Ny Fanahy Masina manafaka izany hoe ː Ny fivavahantsika dia i Kristy nandresy nefa tsy mpanjakazaka, manompo i Kristy, izy Andriamanitra no manompo atsika, izay no nidinany avy any an-danitra, tonga izy hanompo atsika mba ho soa, hihatsara, hiala amin'ireo ratsy mamatopatotra atsika fa indrindra ny fahotana, ny demony izay mamatotra fa ny Fanahy Masina manafaka. Izay no ankalazaintsika anio.
Antenaiko fa hanampy atsika izay fanazavana izay, mba tsy hisabàka isika no sady mamonjy tromba no mamonjy lamesa. Aza afangaro fa rehefa mifangaro dia mikorontana.
Anio mankalaza ny FANAHY MASINA isika, ahoana ary ny hahafantarana fa ny FANAHY MASINA no tonga amiko ?” [.......]

 

06/06/2016