DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS

FANENTANANA MIKASIKA NY LOHATAON'NY FAHARIANA ny 01 sept - 04 oct

Ho antsika EOV jiaby  

Ao anatin’ny neuvaine isika maro amintsika ny naheno ny fanentanana nataon’ny papa mikasika ny lohataon’ny fahariana … ezaka eto amin’ny diosezy ny firosoana amin’ny diosezy maintso…. Mamporisika antsika hanentana ny rehetra mba ho EOV misionera tokoa anie isika  ka hanana fo vaovao  hikolokolo ny zavaboary ka ny zavaboary hanampy antsika hivelatra araka ny mahaolona sy ny olona manontolo hidera sy hanome vonnahitra an’Andriamanitra. Tsy ity korontanavirus ity tokoa no faran-teny fa i Jesoa tenin’Andriamanitra Alpha sy Omega. Fenoy ireo sadjoa enina. Mirary zoma voalohany ho antsika jiaby. Enga anie ny famindrampon’Andriamanitra hanapotika ity covid 19. Tsarovy ny papa iray taona izay izy nandalo teto amintsika ilay mpamafy fiadanana sy fanentanana enga isika EOV misionera ho mpamafy fiadanana sy fanentanana ho tabernakla velona  

Hifampivavaka miaraka amin’i Masina Maria sy olts Lucien Botovasoa

 

Tsindrio ny rohy hamaky :

 - ny VAVAKA Lohataon'ny Fahariana - atao ny 01 septembre ka hatramin'ny 04 octobre 2020

- ny taratasin'ny Eveka tompon'andraikitra manentana ny hanaovana ny fihetsika sy vavaka araky ny fangatahan'i Papa manohy ny Laudate-Si

- ny taratasin'i Papa Fransoa manentana hivavaka ny 01 septembre ka hatramin'ny 04 octobre 2020

- ny fanasana hiaraka hientana amin'ny fankalazana ny lohataon'ny fahariana

02/09/2020

FANAMASINANA PRETRA - ANTSIRANANA 15 Août 2020

02/09/2020

VOADY VOALOHANY SY FARANY - Masera COEUR IMMACULE DE MARIE (tapany 02)

14/08/2020

VOADY VOALOHANY SY FARANY - Masera COEUR IMMACULE DE MARIE (tapany 01)

14/08/2020

Fanomezana tsodrano ireo masera ny Coeur Immaculé de Marie hanao ny voady

14/08/2020

Torolàlana fihobiana miatrika ny Coronavirus avy amin'i Mgr Ramaroson Benjamin

Ho Antsika Jiaby EOV : Pretra, Olom-boatokana, Lahika ato amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Ambanja.

"Homba anareo anie ny fiadanana..." (Jn 20,19)

Alahady faha-16 mandavantaona aho no manoratra ity hafatra ity amin’izao fidirantsika amin’ny fihibohana tanteraka izao indray.... FIHIBOANA ANDINY FAHAROA IZAY TENA MAFY TOKO ary mampanontany tena antsika jiaby hoe : “inona no mety dikany izao?” Ny Evanjely vakintsika amin’izao alahady faha-16 izao no manoro lalana antsika. Miaramitsiry ny voa tsara sy ny ahi-drat am-pontsika ary eo anivon’izao tontolo izao. Ilay ratsy no mamafy ny ahi-dratsy ary miteraka korontana : KORONTANAVIRUS… Tsy ity “fahavalo tsy hita maso” ity no faran-teny araka ny fampianaran’i Jesoa manazava ny fanoharana fa ho potika ho levona tanteraka izy…........Tsindrio eto hamaky ny tohiny

23/07/2020

FAMANGIANA PASTORALY - PAROASY KATEDRALY FO MASIN'I JESOA - 02

01/07/2020

FAMANGIANA PASTORALY - PAROASY KATEDRALY FO MASIN'I JESOA - 01

01/07/2020

FAMANGIANA PASTORALY - PAROASY NOTRE-DAME DE L'ASSOMPTION TANAMBAO

01/07/2020

Hafatry ny eveka Mgr Benjamin Ramaroson sy vavaka Fo masin'i Jesoa

« SAMBATRA NY EGLIZY IRAKA MANANA PRETRA MASINA FA EGLIZY IRAKA VELONA SY MASINA IZY »

HO ANTSIKA RAHALAHY PRETRA SY ZANDRY DIAKRA ARY ZANDRY SEMINARISTA

HOMBA ANTSIKA MANDRAKARIVA ANIE NY FAHASOAVAN’I J ESOA KRISTY, NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA RAY ARY NY FIOMBONANA AMIN’NY FANAHY MASINA….. Indro atolotra antsika miaraka amin’ity taratasy ireto hafatra avy amin’ny Papa ireto. Tsara  manentana ny kristianina isika hiara-mivavaka amintsika amin’izao Fetin’ny Fo Masin’i  Jesoa izao. Tsy hanampy zavatra maro aho satria feno dia feno  ireo hafatr’i Papa François ireo. Tiako kosa anefa mizara ireto tenin’I Md Paoly ireto satria nanaitra ahy . Novakintsika tamin’ny herinandro lasa izy ireo.  Nanomboka nametraka rafitra ny Eglizy  tamin’ny fotoana nanoratan’i Md Paoly ny hafatra ho an’i Timote. Betsaka ny sedra tamin’izay na avy any ivelany na avy ao anatiny…..[lire la suite]

12/06/2020