« Amin’izao fotoam-pibebahana izao dia manavao ny finoantsika isika, manovo ilay "ranovelon’"ny fanantenana sy mandray amin’ny fo misokatra ny fitiavan’Andriamanitra izay manova antsika ho mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy (ho Olo Araiky isika jiaby). Hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika amin’ny alin’ny Paka, mba hateraka indray ka ho tonga lehilahy sy vehivavy vaovao, noho ny asan’ny Fanahy Masina….. »
Io tenin’i Papa tamin’ny taratasiny tamin’ny Karemy no mbola entoko manolotra amintsika Olo Araiky Jiaby ny taratasy annexe 3 satria mifanraka tsara sy mamintina amin’izay ambarany
Mankalaza ny Alahadin’ny Sampankazo isika Mandray an’ity hafatra ity. Feno tebiteby noho ity KORONTANAVIRUS ity….
Alahadin’ny Sampakazo mamarana ny « ady » sady « dia » miakatra ho an’ny Jerosalema noho izany varavarana mampiditra antsika ao Jerosalema miaraka amin’i Jesoa ao amin’izao Herinandro Masina.
Tsy levona (lò) ao am-pasana i Jesoa fa « nandevona » ny ratsy rehetra ary ny ratsy faratompony dia ny fahafatesana. Havoazin’i Kristy Fihavanantsika ny zava-drehetra ary isika miaraka Aminy, sy amin’ny alalany ary ao Aminy. Izay ny « départ vaovao »…
MIRARY PAKA MASINA SAHADY HO ANTSIKA JIABY ALELOIA NITSANGAN-KO VELONA NY TOMPO ALELOIA
Indro ny taratasy annexe FAHA-3 hanampy antsika hanohy ny « départ vaovao » : TONDRON-JOTRA, TORO-LALANA … HANAMPY ANTSIKA MBA HO FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFAMPITSIMBINA,MIFANASOA, MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA MBA HO OLO ARAIKY ISIKA JIABY VOKATRY NY PAKA